Printsesy ZOENDRENINY Elakovelo : Voatendry ho mpanohana sy mpiaro ny zon'ny ankizy any atsimo

  • mercredi, 11 mai 2022 10:56
  • Tigre
  • Sary nindramina

Ny UNICEF Madagascar dia nanome anarana, ho Mpanohana ny Zon’ny Ankizy, ny Printsesy ZOENDRENINY Elakovelo, izay hanohana indrindra ny UNICEF any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara.

Amin'ny maha mpiaro ny zon'ny ankizy azy, ny Printsesy dia hampiasa ny heriny hampiroboroboana ny fiovana ara-tsosialy eo amin'ireo vondrom-piarahamonina marefo, indrindra manoloana ireo fanamby any atsimo amin'ny sehatra maro, toy ny fanjarian-tsakafo, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny rano sy fidiovana ary ny fiarovana ny ankizy.

Ny Printsesy ZOENDRENINY Elakovelo moa dia filoha nasionaly sy mpanorina ny Fédération des Communautés Royales Traditionnelles, Coutumières Culturelles de Madagascar, Vice Présidente du Chambre Royale de la Diaspora de l'Afrique de L'Est.

Nambarany fa maro ireo zon'ny ankizy voahitsakitsaka any atsimo toy ny :
- Fampanambadiana ny zaza aloha loatra
- Fialana an-daharana an-tsekoly
- Tsy fahampiana ara-tsakafo

Ka mandray ny andraikitra tandrify azy ireo Ampanjaka sy Olo-be mba ho fampandrosoana ny Faritra Atsimo.

Nisaotra ny UNICEF, ireo fikambanana ara-drazana maro, izay naneho fahavononana sy fifanampiana amin'ny fiaraha-miasa aminy ny Printsesy ZOENDRENINY Elakovelo, ho fanohanana sy fiarovana ny Zon'ny ankizy any atsimo sy manerana ny Nosy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.