Fivondronamben’ny Eveka : Nampahafantarina ny Filoham-pirenena ireo mambra ny birao vaovao

  • vendredi, 12 novembre 2021 20:05
  • Zakaria
  • Sary nomena

Nanao fitsidihana ara-panajana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha io maraina io ny Fivondronamben’ny Eveka, notarihin’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana.

Nisy ny fifidianana Birao vaovao teo anivon’izany Fivondronambe izany, izay nampahafantarina ny Filoham-pirenena tamin’ity fotoana ity.

Ireto ireo mpikambana vaovao handrafitra izany manomboka izao :

- Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka: Monseigneur Fabien Ralamboniaina, Evekan’i Morondava ;
- Filoha Lefitra : Monseigneur Rabemahafaly Fulgence, Arservekan’i Fianarantsoa ;
- Sekretera Jeneraly : Monseigneur Randrianantenaina Gabriel, Evekan’i Tsiroanomandidy ;
- Sekretera Mpandrindra : Ny Pretra Séraphin Rafanomezantsoa.

Nirary soa sy fahombiazana amin’ny asa sy izao andraikitra raisin’izy ireo izao ny Filoham-pirenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.