Tokontaniben'ny ORTM Anosy : Hananganana mozean'ny vakoky ny haino aman-jery

  • mercredi, 27 octobre 2021 14:33
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hananganana fotodrafitrasa ho mozean'ny vakoky ny haino aman-jery na Havoria ilay tokontaniben'ny ORTM Anosy, toerana nisy ny RNM may nisy nandoro ka kila hotohoton’ny afo nandritra ilay Alatsinainy Mainty ny 26 janoary 2009.

Tonga nametraka ny vato fototry ny fanorenana ny Havoria, androany alarobia 27 oktobra 2021, ny filoha Andry Rajoelina. Notronin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, ny Filohan'ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa, ary ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy.

Haranty ao anatin'ity mozea ity ny fitaovana fahizay, miaraka amin'ny fampisehoana ireo horonan-tsary sy horonam-peo mirakitra ny tantaran'ny firenena.

Mahazaka mpijery 700 ny Havoria, ary azo hanatanterahana ireo karazana seho lehibe, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.