Fampianarana teny anglisy : Misy misoloky ny ambasady amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro

  • lundi, 21 juin 2021 12:17
  • Zakaria

Nanao fampitandremana amin'ny endrika fisolokiana ny ambasady amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro.

Nambaran’ity farany fa mahalala ny fisiana fikambanana mitonona ho miara-miasa akaiky amin'ny ambasady amerikana amin'ny fampianarana teny anglisy, ary mampanantena mari-pahaizana atolotry ny ambasady amerikana.

« Tsy mitombona velively izany », hoy ny ambasady.

« Tianay ny mampahafantatra ny besinimaro fa, na dia miasa ho an'ny fampiroboroboana ny teny anglisy, sy manao ho laharampahamehana ny fampianarana teny anglisy aza izahay, dia tsy miara-miasa amina ivontoerana mampianatra teny anglisy sandaina vola », hoy hatrany ny fanazavana.

Mampirisika anao izahay hitafa aminay, hoy ny fanabaràna, raha mila fanazavana fanampiny mahakasika ireo hetsiky ny ambasady eto Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.