IT University : Nanokatra lalampiofanana momba ny « design »

  • mercredi, 04 novembre 2020 22:04
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote

Mivelatra sy mivoatra hatrany. Nampahafantarina sy notokanana androany ny ITU Design School, rantsana iray eo anivon’ny IT University, manana ny foiben-toerany etsy Andoharanofotsy.

Hamaly ny filana eo amin’ny lafiny serasera, dokambarotra, tonta printy ny fisokafan’ity lalampiofanana « design » ao amin’ny IT University ity. Sehatr’asa mivelatra ary mbola malalaka rahateo ireo eto Madagasikara, saingy mitaky fahaizana manaraka ny fivoaran’ny teknôlôjia.

Iray amin’ireo oniversite valo sangany eto Madagasikara ny IT University, izay oniversite tsy miankina mamolavola manampahaizana ambony momba ny informatika.

Saika efa eo amin’ny sehatry ny asa avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra novolavolaina tao. Misy eto Madagasikara, misy amin’ireo nosy rahavavy aty amin’ny ranomasina indianina, misy any Afrika, any Eorôpa ary hatrany Amerika Avaratra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.