« AKORY E! »: Atrikasa fampiroboroboana ny fitenim-paritra

  • vendredi, 25 octobre 2019 23:08
  • Zakaria

Hotanterahina eo amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny 29, 30, 31 oktobra 2019 ny hetsika « AKORY E! », izay atrikasa fampiroboroboana ny fitenim-paritra karakarain’ny fikambanana GASIKO.

Ny fahatsapana fa maro ny samy Malagasy tsy mifankahazo eo amin’ny fiteny, noho ny tsy fahampian’ny fahalalana ka mampisy elanelana no nanosika ny fikambanana hikarakara ity hetsika ity, miaraka amin’ny ministeran’ny kolontsaina sy serasera, ary anisan’ny tanjona amin’ny fanatanterahina ity hetsika ity ihany koa ny hampidirana ny fianarana fitenim-paritra ho ao anatin’ny rafi-pampianarana Malagasy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.