Art et Culture

    • vendredi, 12 novembre 2021 20:05
    • Sary nomena

    Fivondronamben’ny Eveka : Nampahafantarina ny Filoham-pirenena ireo mambra ny birao vaovao

    Nanao fitsidihana ara-panajana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha io maraina io ny Fivondronamben’ny Eveka, notarihin’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana. Nisy ny fifidianana Birao vaovao teo anivon’izany Fivondronambe izany, izay nampahafantarina ny Filoham-pirenena tamin’ity fotoana ity. Ireto ireo mpikambana vaovao handrafitra izany manomboka izao :
    Lire la suite ...
    • mercredi, 27 octobre 2021 14:33
    • Sary nindramina

    Tokontaniben'ny ORTM Anosy : Hananganana mozean'ny vakoky ny haino aman-jery

    Hananganana fotodrafitrasa ho mozean'ny vakoky ny haino aman-jery na Havoria ilay tokontaniben'ny ORTM Anosy, toerana nisy ny RNM may nisy nandoro ka kila hotohoton’ny afo nandritra ilay Alatsinainy Mainty ny 26 janoary 2009. Tonga nametraka ny vato fototry ny fanorenana ny Havoria, androany alarobia 27 oktobra 2021, ny filoha Andry Rajoelina. Notronin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, ny Filohan'ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa, ary ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy. Haranty ao anatin'ity mozea ity ny fitaovana fahizay, miaraka amin'ny fampisehoana ireo horonan-tsary sy horonam-peo mirakitra ny tantaran'ny firenena. Mahazaka mpijery 700 ny Havoria, ary azo hanatanterahana ireo karazana seho lehibe, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 27 octobre 2021 12:04
    • Sary nindramina

    Asa-tanana Malagasy : Haranty amin’ireo Masoivohon'i Madagasikara any ivelany

    Mikasa ny hampiranty ireo Asa-tanana Malagasy tsara kalitao any amin'ireo Masoivohon'i Madagasikara rehetra any ivelany ny Ministeran’ny Asa-tanana sy Hai-tao, tarihin’i minisitra Sophie Ratsiraka. Efa nisy ny fifanaraham-piarahamiasa nataon’ity farany sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Patrick Rajoelina, ny amin'izany. Eo an-dalam-panatanterahana ny pitsopitsony mikasika izany ny Minisitera roa tonta ankehitriny. (Jereo sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 octobre 2021 11:12
    • Sary nindramina

    Sina : Tetezana Danyang-Kunshan lava indrindra maneran-tany mirefy 164.8km

    Tetezana mampitohy an'i Danyang sy Kunshan (Pékin - Shanghai). 4 taona no nanamboarana azy, tetezana mitondra fiaran-dalamby haingam-pandeha. Natomboka ny taona 2006 ny asa, ary nisokafana ny 30 jona 2011 ho an'ny rehetra, nandaniana vola 8.5miliara dolara teo. Misy tetezana 9km eny ambony rano miampita ny ranon'i Yangcheng.Mpiasa maherin'ny 10 000 no niaraka nanamboatra azy.80m eo ho eo ny elanelana isaky ny tsatoka milanja azy avy ato ambany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 octobre 2021 12:57
    • Sary nindramina

    Fiangonana FJKM : Nitondra am-bavaka ireo tompon'andraikitra vaovao voafidy ho amin'ny taom-piasana 2021-2025

    Tanterahina ao amin’ny Coliseum Antsonjombe androany Alahady 17 Oktobra 2021 ny fanompoam-pivavahana fanolorana sy ho fitondrana am-bavaka ireo tompon'andraikitra vaovao voafidy ho amin'ny taom-piasana 2021-2025, tarihin’ny filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 28 septembre 2021 16:16
    • Sary nindramina

    Kardinaly Désiré Tsarahazana : 35 taona no naha mpisoron'ny Avo indrindra azy

    28 septambra 1986 - 28 septambra 2021, feno 35 taona androany no naha mpisoron'ny Avo indrindra ny Kardinaly Désiré Tsarahazana (namasinina ho Pretra na Mopera).  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 19 septembre 2021 13:40
    • Sary nindramina

    Hira sy mozika : Nodimandry i Sammy Rastafanahy

    Misaona ny sehatry ny kanto. Nodimandry i Raharisoa Samuel, izay mitondra ny anarana maha-mpanakanto Sammy Rastafanahy, nivoy ny mozika reggae. Izy dia mpikambana sy mpandray fisotroan-dronono ao amin'ny OMDA.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 septembre 2021 20:02

    Bevalala Antananarivo : Fifampizarana tamin'ireo Tompon'andraikitry ny Tanora Mpianatra Kristianina (TAMPIKRI)

    Tompon'andraikitry ny Tanora Mpianatra Kristianina (TAMPIKRI) isaky ny Diosezy Katolika manerana ny Nosy. Bevalala 17 septambra 2021. Misaotra an'ireo Eveka manerana ny Nosy, misaotra ireo Pretra sy Relijiozy, ny Aumonier, ireo Zoky mpiara-dia, ny Birao Nasionalin'ny TAMPIKRI, ary indrindra ireo solotenam-paritra TAMPIKRI manerana ny Nosy. Mijery - Mitsara - Miasa (Voir - Juger - Agir). Mirary soaPatrick   (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 14 septembre 2021 19:45
    • Sary OMDA

    Fiahiana ara-tsosialy : 228 ireo mpamorona efa nisitraka fisotroan-dronono

    Notanterahina tao amin’ny Foiben’ny Ofisy Malagasy momba ny zon’ny mpamorona, na OMDA, etsy Antaninandro Antananarivo ny fandraisana ireo mpamorona miisa 14 vaovao hisitrika fisotroan-dronono. 228 ny isan’ireo efa misitraka ity fisotroan-dronono ity ao amin’ny OMDA hatramin’ny nametrahana ity fiahiana ara-tsosialy ity. 77 ireo efa nodimandry. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 09 septembre 2021 18:12
    • Sary nindramina

    Oniversiten'i Beijing : Nisokatra ny sampam-pampianarana Malagasy ahazoana ny mari-pahaizana "licence"

    Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny 08 Septambra 2021 ny sampam-pampianarana Malagasy ao amin'ny Oniversiten'i Beijing any Sina, izay ahazoana ny mari-pahaizana "licence". Tafiditra anaty vinam-piarahamiasa eo amin'i Madagasikara sy Sina ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny teny. Fanatanterahana izany ny fisokafan’ny sampam-pampianarana Malagasy ao amin'ny Oniversiten'i Beijing, toy ny fisian’ny Institut Confucius eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.  
    Lire la suite ...
Page 2 sur 56