Art et Culture

    • mercredi, 25 janvier 2023 10:35
    • Sary Njaka

    OMDA : Voafidy ireo mpikambana vaovao ny filankevi-pitantanana

    Tontosa tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, ny talata 24 janoary 2023, ny fifidianana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny filankevi-pitantanana ny OMDA, na ny Ofisy Malagasy momba ny zon’ny mpamorona, taorian’ny fifandaharana sy fifanazavana naharitra teo amin’ny samy mpikambana, ary koa ny mpikambana sy ny mpitantana vonjimaika ny OMDA. Voafidy nandritra izany Razanajatovo Hobiana (sokajy haisoratra), Razafindrakoto Martial (sokajy Sary sy feo), Randriamanatena Arsène (sokajy Dramatika), miampy ny avy amin’ny sokajy Mozika sy Hira ahitana an’i Jaojoby Eusèbe, Behavana Raveloarivonjy na Zoky Vonjy, Rakoto Patrick (Tonton Pa) ary Razanakavalona Mandasoa Fanomezana, Meizah. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 24 janvier 2023 20:15
    • Sary nindramina

    Raharaha OMDA

    Raharaha OMDA : Natao tao anaty savorovoro ny fifidianana mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana  
    Lire la suite ...
    • mardi, 24 janvier 2023 11:02
    • Sary nindramina

    Mpikambana OMDA : Herintaona tsy nisitraka ny zony ara-bola

    Nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety i Jaojoby Eusebe sy Samoela ny zoma 20 janoary 2023, namborahan’izy ireo ny olana sedrain’ny mpanakanto sy mpamorona, mpikambana ao amin’ny OMDA, na ny Ofisy Malagasy misahana ny zon’ny mpamorona. Nambaran’izy ireo fa efa ho herintaona izao no tsy nisitraka ny zony ara-bola ny mpikambana OMDA. Nambaran’i Jaojoby fa misy mikarakara fivoriana izay hatao anio Talata 24 janoary 2023, mandritra izany no voalaza fa hanavaozana ny mpikambana sy filohan’ny filankevi-pitantanan’ny OMDA. Tsy mandà ny hisian’ny fifidianana ireo mpikambana, fa ilay izy atao maikamaika no tsy mety, fa mila ifampidinihana sy ifandaminana mialoha izany, hoy i Samoela ary nohamafisin’i Jaojoby, ity farany izany niantso ireo mpanakanto ho avy maro miaraka amin’ny karatra OMDA amin’io fotoana io.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 janvier 2023 21:39
    • Loharano : METFP

    “Miss University Africa” : Hifaninana any Nizeria i Andriamoria Morgane Harikanto

    Ho tanterahina any Nizeria, ny volana martsa ho avy izao, ny fifaninanana “Miss University Africa”, izay handraisan’ireo firenena afrikanina dimy amby dimampolo (55) anjara. Isany manana solontena amin’izany i Madagasikara, dia i Andriamoria Morgane Harikanto. Izy dia mpianatra ao amin’ny Institut National des Sciences Comptables et de l’Administration des Entreprises (INSCAE), ary misalotra ny anaram-boninahitra « Miss University Madagascar » nanomboka ny 02 jolay 2022. Tonga nangataka tso-drano tamin’ny Minisitery ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, Vavitsara Rahantanirina Gabriella, izy, notronin’ireo mpikarakara ny hetsika, ny 19 janoary 2023.
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 janvier 2023 21:01
    • Sary nindramina

    Foibe FFKM : Ny Mpitandrina, Dr Irako ANDRIAMAHAZOSOA no hitarika amin'ity taom-pikatrohana 2023 ity

    Tontosa ny Alahady 22 Janoary 2023, teny amin’ny Katedraly Saint Laurent EEM, ny fanompoam-pivavahana ivon'ny herinandro fiaraha-mivavaka maneran-tany, sady famindram-pitarihana amin'ny Filohan'ny FFKM Foibe, izay hitarika amin'ity taona vaovao 2023 ity, dia Mpitandrina, Dr Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, avy amin'ny FJKM. (Jereo sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 janvier 2023 18:39
    • Sary nomena

    Analamahitsy : Androm-pirenena ho an'ny Kabary malagasy

    Mpikabary manodidina ny 150 no notoloran'ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina mari-boninahitry ny Kanto sy ny Soratra ary Kolontsaina tamin'ity alahady 15 janoary 2023, androm-pirenena ho an'ny Kabary malagasy, sady fanamarihana ny tsingerintaona voalohany nanambaràna tamin'ny fomba manetriketrika ny nampidirana ny Kabary ho harem-bakoka ara-tsain'ny zanak'olombelona ity. 120 tamin'izy ireo no nahazo ny "Chevalier". ​3 kosa no nahazo ny "Commandeur de l'ordre, des Arts, des Lettres et de la Culture Malagasy" ; ary 24 "Officier". Teo amin'ny Kianja maitso Analamahitsy, Antananarivo moa no nanaovana ny hetsika. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 janvier 2023 15:29
    • Sary nindramina

    EKAR - Diosezin'Ambanja : Fanamasinana ho Eveka an'i SEM Donatien Francis RANDRIAMALALA

    Notanterahina teo amin'ny Kianja monisipaly Ambanja ny Eokaristia Masina fametrahana amin'ny maha Eveka tompon-toerana an'i SEM Donatien Francis RANDRIAMALALA ao amin'ny Diosezin'Ambanja. Nitarika ny fotoana i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, Evekan'i Morondava. "Ho tanteraka anie ny sitraponao", no teny faneva nofidian'ny Eveka vaovaon’ny Diosezin'Ambanja. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 janvier 2023 15:12
    • Sary nindramina, Foibe FJKM

    FJKM : Nitondra am-bavaka ny taom-piasana 2023

    Notanterahina teny amin'ny Coliseum Antsojombe androany alahady 15 janoary 2023 ny fitondrana am-bavaka ny filohan’ny FJKM Irako Andriamahazosoa AMMI, Mpitandrina, mianakavy sy ny taom-piasana 2023. Fanao isan-taona isaky ny alahady fahatelo amin'ny volana janoary izy ity. Tsiahivina fa ny filohan’ny FJKM no filohan’ny FFPM (FIOMBONAN'NY FIANGONANA PROTESTANTA ETO MADAGASIKARA) mandritra ny roa taona manomboka amin'ity taona ity. Notanterahina teny Ambatovinaky ny 8 janoary 2023 teo ny famindram-pitantanana niaraka tamin’ny FLM. Ny FJKM indray izao no ho filohan’ny FFKM (FIOMBONAN'NY FIANGONANA KRISTIANA ETO MADAGASIKARA). Ho tanterahina amin’ny herinandro ho avy io ny famindram-pitantanana, eo amin'ny Filohan'ny Fiangonana EEM, tarihin'ny Révérend Ranarivelo Jaona. (Jereo sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 janvier 2023 21:14
    • Sary nindramina

    Fahafatesan'i Papa Benoit XVI : Tonga nitondra ny teny fiaraha-miory ny Jeneraly Rakotonirina Richard, Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana

    Tonga nitondra ny teny fiaraha-miory, amin'ny anaran'ny Fitondram-panjakana malagasy, teny amin'ny Nonciature apostolique Ivandry ny Jeneraly Rakotonirina Richard, Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, noho ny fahalasan’ny Papa Benoit XVI. Nampitainy ny fiaraha-miombona alahelo amin’ny Eglizy Katolika sy ireo mpino katolika manerantany, ary nametraka ny diam-penina tao amin’ny boky fiaraha-miory voatokana ho amin’izany ny tenany. Nandray azy teny an-toerana i Mgr Tomasz Grysa, Nonce apostolique vaovao voatendry hiasa eto Madagasikara. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 02 janvier 2023 19:35
    • Sary nindramina

    Finoana Katolika : Nafindra eo amin'ny Basilique Saint-Pierre ny vatamangatsiakan'i Papa Benoît XVI

    Nodimandry teo amin'ny faha 95 taonany ny Papa misotro ronono, Benoît XVI ny sabotsy 31 desambra 2022. Nafindra, azo omem-boninahitra eo amin'ny Basilique Saint-Pierre ny vatamangatsiakan'i Papa Benoît XVI, ka mpino anetsiny maro no milahatra nanomboka io maraina alatsinainy 02 janoary 2023 io. Ny alakamisy 05 janoary 2023 manomboka amin'ny 09ora30, ora Vatican, 11ora30 aty Madagasikara, no anaovam-beloma azy farany eo amin'ny place Saint-Pierre, amin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana tarihan'ny Papa François nandimby azy. Ka hasitrika ao amin'ny Basilique Saint-Pierre, misy ny taolambalon'i Masindahy Piera, mpianatry Kristy, ary Eveka voalohan'i Rome, izay nodimbiasin'ireo Papa nifandimby, izay milevina ao ihany koa. Niavaka tamin'ny tantaran'ny Fiangonana Katolika ny fisian'ny Papa roa samy mbola velona, satria ny andraikitry ny Papa dia entiny mandra-maty, nefa noho ny antony ara-pahasalamana dia nandeha nisotro ronono i Joseph Ratzinger mitondra ny anarana hoe Papa Benoît XVI. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 61