Doro trano - Oniversiten’i Mahajanga : Mpianatra zanaky ny Faritra Sofia miisa 6 nidoboka am-ponja
- mercredi, 15 mars 2023 11:35
- Zakaria
- Sary nindramina
Mpianatra enin-dahy amin’ireo 17, voarohirohy tamin’ny adin'ny mpianatra samy mpianatra, Bealanana sy Analalava, avy nanao baolina no niitatra ka nitarika ny fahamaizan'ny Bloc 22 teny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra eny Ambondrona, Oniversiten’i Mahajanga ny tapaky ny volana febroary lasa teo, no tazomina am-ponja vonjimaika, taorian’ny fanadihadiana, ka natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Mahajanga ny alatsinainy 13 martsa teo.
Avy any Bealanana ny telo amin’ireo mpianatra voatana am-ponja. Fandorana trano ankitsirano, fikambanan-jiolahy ary daroka sy vono iniana natao no loham-pampangana nanenjehana azy ireo.
Mpianatra zanaky ny Distrikan’Analalava ny telo, nenjehina no nidaroka, nitarika fandratrana efa voaomana, ary manao fikambanan-jiolahy.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.