Norbert Lala Ratsirahonana : Manana safidy malalaka ny mpikambana AVI hanohana izay kandida filoham-pirenena mety aminy
- mardi, 14 mars 2023 19:45
- Zakaria
- Sary nindramina
Tsy misy “consigne de vote” ho an’ny mpikambana AVI amin’ny fifidianana filoham-pirenena, izay mety hatao amin’ity taona 2023 ity. Manana safidy malalaka ny mpikambana amin’izay halehany, hoy ny filoham-boninahitry ny antoko, Norbert Lala Ratsirahonana.
Nanao tsiahy ireo tantaram-pifidianana ny tenany, izy izay efa filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ihany koa, notronin’ny birao politikan’ny AVI nandritra ny “Assise” natao tany Atsimo Andrefana. Tamin’izay no nilazany fa efa in-droa nirotsaka hofidiana izy fa tsy lany, satria tsy ampy ny enti-manana hoy izy.
Nahitsy ny tenin’i Norbert Lala Ratsirahonana fa rehefa tsy manana fitaovana, vola, tsy mamana haino aman-jery sy gazety, helikoptera… dia aza milatsaka fa mandany andro amin’io. Tsy vita mora ny manao fampielezan-kevitra manerana an’i Madagasikara, hoy hatrany izy.
Na izany aza dia nambarany fa handeha irery ny AVI manomboka izao, ka hanana kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, mpanolontsaina ary Depiote, ka nanentana ny ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana.
Nanentana ireo mpikambana AVI ihany koa i Norbert Lala Ratsirahonana ny efa hanoman-tena satria “tsy mora fa sarotra ny fifidianana”.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.