Ambasady malagasy ao Paris : Mitokona ny mpiasa

  • lundi, 06 mars 2023 15:18
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mitokona nilanja sorabaventy, nanoloana ny biraon'ny masoivohon’i Madagasikara ao Paris Frantsa, ireo mpiasa, mitaky ny hanesorana ny Mpanolontsaina voalohan'ny ambasady.

Nialohavana taratasy fampahafantarana ny antonanton'izao fitakiana izao ity fitokonana ity.

Tetsy ankilany, dia misy koa fampitam-baovao mitatitra fa, hanokatra fanadihadiana, ny ao amin’ny ambasady, hitady izay tompon'antoka tamin’ny fampiasana ny sary famantarana sy ny tombokase ny ambasady, ka handray fepetra mifanaraka amin'izany.

Nikatona tsy nandray olona ny ambasady malagasy ao Paris, androany Alatsinainy 6 martsa 2023. Manamafy izany ny taratasy filazana, soniavin'ny ambasadaoro Rija Rajhonson.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.