Oniversiten’i Mahajanga : Adin'ny samy mpianatra nitarika fahamaizan'ny Bloc 22

  • lundi, 20 février 2023 10:26
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Ravan'ny afo tanteraka ny Bloc 22 ao amin’ny toeram-ponenan'ny mpianatra ao Ambondrona, Oniversiten’i Mahajanga.

Adin'ny mpianatra samy mpianatra, Bealanana sy Analalava, avy nanao baolina no niitatra, ka nitarika ny fahamaizana.

Misy ny naratra, ary nisy voa mafy, toy ny mpianatra iray avy any Bealanana, tsy nahatsiaro tena.

Misokatra ny fanadihadiana.

Taorian'ny fandorana olona velona tany amin'ny Cité Maninday tamin'ny herinandro, dia izao indray ny an'i Mahajanga.

Mampieritreritra !

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.