Firaisambe Afrikanina : Voafidy ho filoha AZALI Assoumani, Filohan'i Comores
- dimanche, 19 février 2023 18:46
- Zakaria
- Sary nindramina
Voafidy ho filohan'ny Firaisambe Afikanina mandritra ny 12 volana, ny Filoha komorianina AZALI Assoumani, nandritra ny fihaonana an-tampony faha 36 teo amin'ny Filoham-pirenena sy lehiben'ny Governemanta afrikanina rehetra, izay natao tany Addis-Abeba ny 18 sy 19 febroary 2023.
Anisan'ny andraikitra lehibe hiantsorohan'ny Filohan'ny Firaisambe Afrikanina moa ny famahana ny olana eo amin'ny Firenena Afrikanina roa mety misy fifandonana, na ireo Firenena Afrikanina misy krizy politika anatiny, na vokatry ny fanaonganam-panjakana, na vokatry ny fifidianana tsy milamina.
Eo ambony latabatry AZALI Assoumani ny fifandonana misy eo amin'i Rwanda sy ny Repoblika demokratikan'i Kongo, mifanefitra sisintany, izay krizy mitam-basy.
Macky Sall, filoham-pirenena Sénégal, no filohan'ny Firaisambe Afrikanina teo aloha.
Mandray anjara amin'izao fihaonana an-tampony izao ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ireo delegasionina tarihany.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.