Ady any Ukraine : Lany bala ny Okrenianina

  • mercredi, 15 février 2023 09:58
  • Tigre
  • Sary nindramina

Nisintona lakolosy ny sekretera jeneralin'i OTAN, hivondronan'ireo firenena tandrefana sy ny Amerikanina, ny alatsinaina 13 febroary 2023, fa tsy maharaka ny fandaniana bala ataon'i tafika okrenianina ny famokarana bala ataon'ny indostria eoropeanina sy ny amerikanina, ka tokony ampiakarana ny vokatra.

Etsy ankilany, ny Rosianina dia tsy mitsahatra midaroka, ary efa manomboka ny fanafihana variraraka, izay amoizany miaramila anjatony isan'andro. Mamaly bontana miaro tena anefa ny Tafika okrenianina, fa midorehi-mena ny vavabasy rehefa hariva ny andro, satria dia tsy mitsahatra ny ady.

Mandany bala tafondro 20 000-50 000 isan'andro ny Rosianina, raha 6000 monja ny valiny avy aty amin'ny Okrenianina, raha ny loharanom-baovao frantsay.

Mametraka olana goavana ny famatsiana bala an'i Ukraine, satria basy sy fitaovam-piadiana rosianina avokoa ny eo ampelatanany, nefa samihafa ny bala vokarin'ny Eorepeanina sy Amerikanina. Hiova basy sy tafondro anefa, mbola adihevitra be ny fanofanana, sy ny famatsiana izany, ary samy mitazona ny azy avokoa ireo firenen-dehibe sao hiitatra ity ady ity, ka dia tana-polo ny hiatrehana ny Rosianina.

Maika hoy ny Sekretera Jeneralin'ny OTAN, Jens Stoltenberg, satria ao anatin'ny 1 volana dia efa mandany 150 000 obus ny Okrenianina, nefa ny famokarana any Frantsa isan-taona latsak'izany, ary ny any Amerika 15 000 isam-bolana efa nakarina 90 000 obus isam-bolana, mbola tsy mahasehaka ny bala lany.

Efa mipetraka izao ny hoe mila hofanina tsy andany bala ny Okrenianina, satria mitovy fomba amin'ny Rosianina, tsy mitsitsy bala fa vao misokatra ny vavabasy dia variraraka, izay voa any dia voa.

Washington namatsy :
- Mihoatra ny 1 tapitrisy bala tafondro (obus) 155mm
- Mihoatra ny 6 000 obus guidés de 155mm
- Mihoatra ny 10 000 munitions de 155mm RAAM (Remote Anti-Armor Mine)
- 100 000 obus de 125mm ho an'ny fiara mifono vy
- 45 000 obus de 152mm
- 20 000 obus de 122mm
- 370 000 obus de 105mm
- 175 000 obus de mortier de 120mm.

Allemagne nanome :
- 60 000 obus de 40mm (156 000 mbola ho avy)
- 18 500 obus de 155mm (1 020 mbola ho avy).

Lafrantsa sy Royaume-Uni efa namatsy obus 155mm sy 120mm ary 105mm, fa tsy nanome tarehi-marika mazava, ankoatran'i Royaumes-Uni nanome 100 000 obus.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.