Hery Rajaonarimampianina : Mila fitoniana i Madagasikara
- dimanche, 12 février 2023 12:26
- Zakaria
- Sary nindramina
Tafaverina an-tanindrazana ny sabotsy 11 febroary 2023 ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, rehefa tsy teto nandritra ny efa-taona, ho fanajana ny fenitra Repoblikana, namelana ny mpandimby azy teo amin’ny fitondrana hiasa malalaka, araka ny nambarany.
Tamin’ny lahateny fohy nataony teny amin'ny foiben-toeran'ny antoko HVM, teny Andraharo, no nilazany fa mila fitoniana i Madagasikara, hisian'ny fampandrosoana, ary fitiavan-tanindrazana no nanesika azy hiverina.
Nambarany hitety faritra izy hijery, hihaino ary hiresaka amin’ny vahoaka, hitondra fanantenana vaovao.
Nofoanana moa ny fitsenana azy teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Nisy kosa ireo filohan'antoko sy solontena amin’ny fanoherana tonga nanotrona ny fahatongavany teny Andraharo, niaraka tamin’ireo mpikatroka HVM, notarihin'ny birao foibe.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
https://gasypatriote.com/a-la-une/item/29214-hery-rajaonarimampianina-mila-fitoniana-i-madagasikara.html#sigProGalleria772e8e39f1
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.