Fifidianana Filoham-pirenena : Kasaina hatao ny Alakamisy 9 novambra 2023 ny fihodinana voalohany

  • vendredi, 10 février 2023 18:35
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanatanteraka valandresaka tamin'ny mpanao gazety ny CENI androany 10 febroary 2023, ka nampahafantatra ireo daty novolavolain'ny CENI hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena.

Araka izany, ny fihodinana voalohany dia
kasaina hatao ny Alakamisy 9 novambra 2023. Ny fihodinana faharoa kosa dia kasaina hotanterahina ny Alarobia 20 desambra 2023.

Marihina fa nalefa eny anivon'ny Governemanta ireo volavolana daty ireo, miaraka amin'ny tetiandro
mifandraika amin'izany.

Nalefa eny anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana mba hakana hevitra, araka ny fanazavan'ny filohan’ny CENI, Dama Arsène.

Mbola azon’ny olompirenena atao ny manatona ny Fokontany ahafahany misoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy hatramin’ny 31 mey 2023.

Raha ny antontan’isa ofisialy 9 906 702 hatreto ireo olom-pirenena nisoratra anatin’izany lisitra izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.