Jirama : Nomena hatramin'ny 31 martsa 2023 ilay Tale Jeneraly vonjimaika Rivo Radanielina hiverenany hiasa

  • mercredi, 08 février 2023 10:38
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina

Tsy fahasalamana noho ny aretina Covid-19 no nambara tamin’ny desambra 2022 fa tsy nahitana an'i Rivo Radanielina, Tale Jeneraly vonjimaika ny Jirama. Ny 9 desambra 2022 no hoe hiverina hiasa izy.

Nisy raharaham-pitsarana nandeha teny anivon'ny Pôle anticorruption na PAC 67ha, izay nahavoarohirohy mpitantana sy mpiasa maro teo anivon’ny Jirama. Nisy nidoboka am-ponja, olona telo namoahana didy fampisamborana, ka anisany ity Tale Jeneraly mpisolo toerana ity.

Tsy nahenoam-baovao sy fanazavana ofisialy ny aminy sy ny misy azy taorian'io.
Ny filankevi-pitantanana no nandray ny familiana ny Jirama nanomboka teo.

Dia izao nomena hatramin'ny 31 martsa 2023 izao indray hiverenany miasa. Mandra-piandry izany dia nanendry Tale Jeneraly lefitra roa ny filankevi-pitantanana ny Jirama.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.