Kitra - Mondial 2022 : Hanomboka anio ny lalao

  • dimanche, 20 novembre 2022 14:32
  • Tigre
  • Sary nindramina

Hanomboka anio alahady 20 novambra 2022, amin'ny 7ora hariva, ora eto Madagasikara, ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taranja baolina kitra, andiany faha-22 izay hatao any Qatar ny 20 novambra hatramin’ny 18 desambra 2022.

Qatar sy Equateur no hisantatra izany aorian'ny lanonam-panokafana ofisialy, manomboka amin'ny 5ora hariva, ora eto Madagasikara, lanonana atao ao amin'ny stade Al Bayt, ao amin'ny tanànan'i Al Khor.

Na dia feno mistery aza ny fanomanana, dia ny mpanankanto Korea Atsimo, Jungkook, ao amin'ny tarika K-POP BTS, dia isan'ireo hiaka-tsehatra.

Ny hira fanevan'ny Coupe du monde 2022, « Hayya, Hayya », kosa dia mety hirain'i Trinidad Cardona, Davido et AISHA.
Ny hira ofisialy kosa, « Arhbo », dia mety Onzuna sy Gims no hikalo azy.

Eo amin'ny 200 miliara dolara eo ny vola nolanian'i Qatar, nanomboka ny taona 2012 ka hatramin'izao 2022 izao, nanomanany ity mondial 2022 ity, izay faran'ny lafo indrindra tamin'ny tantaran'ny baolina kitra maneran-tany.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.