Norbert Lala Ratsirahonana : Niala tsy hitarika ny AVI ny andron'ny aniverserany

  • samedi, 19 novembre 2022 19:03
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina

Nisintaka tsy hitarika ny Asa Vita no Ifampitsarana na AVI i Norbert Lala Ratsirahonana, izay izy mpanorina ny antoko. Nandritra ny fihaonam-ben’ny antoko tao Toamasina no nanambarany izany androany, nifanandrify indrindra amin'ny tsingerintaona faha-84 nahaterahany.

Fiaraha-mitantana no mitondra ny antoko mandrampisy kongresy, ka olona telo no mandrafitra izany, dia Rabenirina Jean Jacques, izay solombavambahoaka voafidy tao Betioky Atsimo, ny senatera teo aloha Sylvain Rabetsaroana, ary ny Solombavambahoakan'i Toamasina I, teo aloha, Dr Johanita Ndahimananjara.

Hijanona ho filoham-boninahitra i Norbert Lala Ratsirahonana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.