Fanatanjahantena : Nodimandry i Henri Roger

  • mardi, 15 novembre 2022 12:02
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nodimandry omaly Alatsinainy 14 novambra 2022, ny Filohan'ny Federasiona Malagasy ny Atletisma taloha, Henri Roger.

Efa nitantana andraikitra lehibe teo amin'ny tontolon'ny Fanatanjahantena izy fahavelony. Efa Filohan'ny Federasiona Malagasy ny Atletisma, efa Filohan'ny Komity Olaimpika Malagasy, efa Filohan'ny Komity Iraisam-pirenena ny Lalao ny Nosy, Mpanao fanatanjahantena fahiny ihany koa ny tenany, ary efa tompondakan'ny lalao Universitaire.

Efa nisahana ny andraikitra maha Tale Jeneralin'ny Air Madagasikara koa ny tenany.

Nitondra avo ny fitantanana ny Taranja atletisma ny tenany. Tamin'ny androny no anisany tena nampiroborobo izany taranja izany, izay nahazoan'i Madagasikara Tompondaka maromaro teo amin'ny Lalao iraisam-pirenena isan-karazany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.