Mompera Randriamalala Donatien Francis : Notendren’ny Papa Fransoa ho Evekan’Ambanja

  • vendredi, 11 novembre 2022 16:34
  • Zakaria

Notendren’ny Papa Fransoa ho Evekan’Ambanja, androany 11 novambra 2022 i Mompera Randriamalala Donatien Francis.

- Teraka ny 6 janoary 1970, tao Antsirabe izy,
- Nanohy fianarana ambony momba ny Lalàna tao amin’ny Université Catholique de Madagascar, rehefa nahavita ny fianarany ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa,
- Ny taona 1992 no niditra tao amin’ny Fikambanan’ny Misioneran’ny « Notre Dame de la Salette » ,
- Ny taona 1995, nanomboka nianatra tao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Paoly Apostoly, ao Antsirabe, niofana momba ny Filozofia,
- Ny taona 2000, nanomboka nianatra Teolojia tao amin’ny Seminera Zokiny Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely, ao Faliarivo Antananarivo,
- Nohamasinina ho pretra ny 19 aogositra 2003,
- Ny taona 2003 hatramin’ny 2006, niandraikitra ny Distrika misioneran’Avaradrano, ao Morondava,

Ao anatin’ny Arsidiosezin’Antsiranana no misy ny Diosezin’Ambanja. Ny 14 septambra 1955 izy no natsangana ho diosezy, niaraka tamin’ireo diosezy voalohany teto Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.