Brezila : Nivoaka mpandresy i Lula

  • vendredi, 04 novembre 2022 18:54
  • Tigre
  • Sary nindramina

Notontosaina tany Brezila ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena, nifaninanan'ny filoha amperinasa Jair Bolsonaro sy ny filoha teo aloha Lula.

Nivoaka mpandresy tamin'ny taham-pifidianana 50.9% (60 345 999 isam-bato) i Luiz Inácio Lula da Silva, raha 49.1% (58 206 354 vato) kosa ny an'ny filoha mpifaninana taminy, Jair Messias Bolsonaro.

Na eo aza ny tsy faneken'ity filoha amperinasa ity ny fahereseny, dia efa miarahaba ny Filoha vaovao Lula ireo filohan'ny firenen-dehibe, toa an'i Joe Biden, Amerika, Emmanuel Macron, Frantsa, Justin Trudeau praiminisitra kanadianina.

77 taona ny lehilahy. Efa filohan'ny République fédérative du Brésil izy ny 01 janoary 2003 ka hatramin'ny 01 janoary 2011. Ary handray ny asa maha filoha azy indray manomboka ny 01 janoary 2023.

Manana fironana amin'ny antoko ankavia sosialista ao amin'ny antoko Parti des travailleurs (PT) izy, izay izy no isan'ny namorona ny antoko ny taona 1980.

Voapanga tamin'ny raharaha kolikoly izy ny taona 2018, ary voasazy higadra an-tranomaizina mandritra ny 12 taona, izay tsy nahafahany nirotsaka ho fidiana ny taona 2018.

Nivoaka an-tranomaizina anefa izy ny taona 2019, ary afaka madiodio ny taona 2021, rehefa voaporofo fa ilay nitsara ny raharaha dia niandany tamin'ireo olona nanao izay namotehana ity filoha brezilianina ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.