XV Makis Ladies : Tonga soa an-tanindrazana

  • mardi, 25 octobre 2022 09:48
  • Zakaria
  • Sary MJS

Tonga soa an-tanindrazana ny delegasiona Makis vehivavy, avy niatrika sy niaro ny voninahim-pirenena, nandritra ny Rugby Africa Women's Cup, tany Tonizia, ny 14 hatramin'ny 22 oktobra 2022.

Nivoaka laharana voalohany tao amin'ny vondrona C nisy azy ireo ny Makis Ladies, rehefa nahazo fandresena avokoa tamin'ireo lalao roa nataony.

Hiatrika ny lalao manasa-dalana kosa ireo ekipa mitazona ny laharana voalohany isam-bondrona, miisa efatra, ary izay voalohany no voahosotra ho tompondakan'i Afrika 2022, ary mahazo ny tapakila hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'ny taona 2023.

Tonga nitsena azy ireo teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon'ny Minisitera, nisolotena an'ny Minisitra Tinoka Roberto.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.