Diplaomasia : Hikatona ny masoivohon’i Norvezy eto Madagasikara

  • jeudi, 20 octobre 2022 16:52
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hakaton’i Norvezy ny biraon’ny masoivohony eto Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao dia efa nampahafantatra an-taratasy ny ministeran’ny raharaham-bahiny etsy Anosy momba izany ry zareo Norveziana, tamin’ny volana septambra lasa iny, ka farafahatarany hatramin’ny tapaky ny taona 2023 io fikatonana io.

Tany amin’ny taona 1866 tany no niandoha ny fifandraisana teo amin’i Madagasikara sy Norvezy, nisian’ireo misionera tonga teto. Maro ny sehatra niarahan’ny firenena roa tonta niasa, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fampianarana sy fanabeazana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanjakana tsara tantana, ny fiompiana sy fambolena nisian’ny FIFAMANOR tao Antsirabe, ireo tetikasa niarahana tamin’ny NORAD (Agence norvégienne de coopération au développement).

Nanao tantsoroka tamin’ny fametrahana ny Bianco, Samifin, CLCC izay niofo ho CSI… ihany koa ny governemanta Norveziana.

Re ihany anefa fa misy fanangonan-tsonia mandeha any ambadimbadika any handresen-dahatra ny governemanta norveziana mba hiverina amin’ny fanapahan-keviny.

(Tahirin-tsary nindramina, fankalazana fetim-pirenena Norvezianina)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.