Serbie : Nitovitovy lalana amin'i Madagasikara manoloana ny ady any Ukraine

  • mercredi, 19 octobre 2022 10:05
  • Tigre
  • Sary nindramina fampiaingoana

Nisafidy nijanona tsy omba ny atsy na ny aroa i Serbie tany amboalohany, rehefa nisy ny latsabato manameloka ny fanafihana nataon'i Rosia an'i Ukraine.

Anisan'ny firenena neken'i Eoropeanina hametraka fangatahana hiditra ao amin'ny vondrona eoropeanina anefa i Serbie, nefa nihazohazo tsy nanohana ny fanapahan-kevitry ny Eoropeanina manoloana ny sazy amin'i Rosia.

Nitsimbadika indray anefa i Serbie, herinandro lasa, ka nanameloka an'i Rosia tamin'ny fakany ny faritra sisin-tany mifanila aminy ao atsinanan'i Ukraine.

Madagasikara ihany koa nilaza ho tsy omba ny atsy na ny aroa, fa nisafidy nanameloka an'i Rosia ihany koa avy eo.

Hatreto tsy nisy fanambaràna ofisialy ny amin'ny hoe safidy hafa indray ve no ataon'i Madagasikara, fa ny minisitry ny raharaham-bahiny aloha no nesorina amin'ny toerany, ary nanao fanambaràna fa izy no nandray ny fanapahan-kevitra amin'ny latsa-bato tany amin'ny firenena mikambana, na dia nisy teny latsaka avy aminy aza, rehefa nanontanian'ny mpanao gazety momba ity raharaha ity izy, rehefa nivoaka tao amin'ny fanokafana ofisialy ny fivorian'ny solombavambahoaka ny 18 okotobra 2022, raha mbola tsy nilatsaka akory ny fanesorana azy amin'ny toerany, ka nilaza fa "anontanio ny Praiminisitra".

Midika izany fa mahafantatra tsara ny fanapahan-kevitra noraisiny amin'ny safidy atao any amin'ny Firenena mikambana ny Praiminiistra.

Tombanana ho io safidy hanameloka an'i Rosia io no nanalàna ity Minisitry ny raharaham-bahiny ity.

Ny mpandraharaha akaiky ny fitondrana, Maminiaina Ravatomanga moa no Consul misolo tena ny Firenena Serbie eto Madagasikara, izay ao amin'ny Pradon Trade Center Antanimena no ivotoerany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.