Angletera : Napetraka eo amin'ny fiandrianany ny Mpanjaka Charles III

  • samedi, 10 septembre 2022 22:28
  • Tigre
  • Sary nindramina

Ny printsy Charles Philipp Arthur George, zanaka lahin'i Mpanjakavavy Elisabeth II no napetraka eo amin'ny fiandrianany, rehefa niamboho ny Mpanjakavavy ny alakamisy 08 septambra 2022.

Mbola ao amin'ny trano fitsangatsanganany any Balmoral moa ny razana, fa tsy tokony ho banga ny fiandrianana.
Mitondra ny anarana Charles III ity mpanjaka vaovaon'ny Angilisy ity.

74 taona ity Mpanjaka vaovao ity, teraka ny 14 novambra 1948 tao amin'ny Lapa Buckingham Londre.
Manomboka izao izany, dia izy no Mpanjakan'i Royaume-Uni any Grande-Bretagne sy Irlande avaratra, ary ireo firenena mahaleotena 14 mandrafitra ny royaumes du Commonwealth, sy ireo tany miankina aminy avy.

Manambady an'i Camilla Shand, raha maty tamin'ny lozam-piarakodia, nampisy resabe ny tena antony tany Paris ny 31 aogositra 1997, i Diana Spencer, nantsoina hoe Lady Di, vadiny voalohany, reny niteraka an'i William sy Henry na Harry.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.