Antsirabe : Tontosa ny fandevenana an’i Mgr Phillipe Ranaivomanana

  • vendredi, 09 septembre 2022 21:24
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tontosa ny alakamisy 8 septambra 2022 tao amin’ny Katedraly Notre Dame de la Salette Antsirabe ny fanaovam-beloma farany, sy ny fandevenana an’i Mgr Phillipe Ranaivomanana, Evekan’ny Diosezin’Antsirabe taorian'ny sorona Masina lehibe, ho fisaorana an'Andriamanitra, izay notarihin'ny Mgr Odon Razanakolona, notron’ireo Eveka rahalahiny, avy amin’ny diosezy maro.

Nodimandry teo amin’ny faha 73 taonany i Mgr Phillipe Ranaivomanana ny talata 6 septambra 2022.

Ao amin’ny faritra ilany havanana amin’ny ôtely no nametrahana azy, ho fiandrasany ny fitsanganan-kovelona.

Nitarika ny delegasionina fitondram-panjakana tamin’ity fotoana ity ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christiana sy mpikambana vitsivitsy avy ao amin’ny Governemanta, ary manam-pahefana samihafa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.