Finoana Katolika : Nodimandry ny Evekan'Antsirabe Mgr Philippe Ranaivomanana

  • mardi, 06 septembre 2022 11:41
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina

Nodimandry io maraina talata 06 septambra 2022 io tao Antsirabe, rehefa notsaboina aingana tao amin'ny Clinique Avé Maria (Masera) ny Evekan'Antsirabe Mgr Philippe Ranaivomanana.

Nandritra ny fanokafana ny JMJ andiany faha 10, izay fihaonamben'ny Tanora Katolika, dia izy Evekan'ny Diosezy no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fandraisana sy ny fikarakarana rehetra, miaraka amin'ny Vovonan'ny Tanora Katolika.

Tsy nahavita nitarika hatramin'ny farany ny fanokafana izany fihaonam-be izany anefa izy, fa tratry ny tsy fahasalamana tampoka, ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana.

Nikiry ihany anefa izy hiatrika ny andro famaranana ny alahady 04 septambra 2022, izay tokony izy no nandray fitenenana hisaotra ireo nasaina sy ireo Tanora aman'aliny mpivahiny manerana ny Nosy, fa tsy vitany intsony izay, satria dia nitondra oxygène tamin'ny orona izy, ary dia nipetraka hatrany, ka ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka no nosolo toerana nanao izany teny fisaorana sy famaranana izany.

Mampatsiaro ny nahafatesan'i Evekan'ny Mahajanga, Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao, ny sabotsy 03 novambra 2018, efatra taona lasa izay, vao vita ihany koa ny JMJ Mada andihany faha 9 tany Mahajanga dia nodimandry izy.

Mpinamana be ireto Eveka roalahy ireto, ary dia nitovitovy ny fotoana sy ny fomba nahalasanany, na dia efa nitsabo tena efa ela ihany koa i Mgr Philippe Ranaivomanana, ary zokiny 15 taona mahery.

Teraka ny 12 mey 1949 i Philippe Ranaivomanana.
Namasinina ho Pretra ny 16 oktobra 1977
Voatendry ho Eveka ny 2 janoary 1999
Ary nandray ny asa maha Eveka azy ny 13 mey 1999

Eveka tany Ihosy izy teo aloha, ary nanankinan'ny Papa ny Diosezin'Antsirabe nanomboka ny 13 novambra 2009, izao izy nodimandry teo amin'ny faha 73 taonany izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.