ACMIL Antsirabe : Namoaka manamboninahitra miisa 131

  • dimanche, 04 septembre 2022 17:02
  • Zakaria
  • Sary nomena

Tontosa ny alin’ny 3 septambra 2022 ny lanonana ara-miaramila Fandresena 2022, namoahana ireo manamboninahitra miisa 131, tao amin'ny Sekoly Miaramila Antsirabe (ACMIL).

Teo ny andiany faha-43 mivantana mitondra ny anarana « 60ème anniversaire de l'indépendance », sy ny andiany faha-25 ny « Peloton de Formation Militaire des Cadres Spécialistes ».

Tahaka ny fomba amam-panao ao amin'ity sekoly miaramila ity dia natolotry ny Ombimanga zokiny amin'ny Ombimanga zandriny ny fanevan'ny sekoly.

Nandritra ity lanonana ara-miaramila ity ihany koa no nanomezana ny anarana "Lieutenant Colonel Rakotomiliarison Hery" ny andiany faha 45, izay zandriny indrindra ao amin'ny ACMIL.

Nanome voninahitra izany tao an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, sady Lehibe Faratampon'ny Foloalindahy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.