Sakoroka Ikongo : Nitifitra ny mpitandro filaminana, olon-tsotra ampolony naratra sy namoy ny ainy

  • lundi, 29 août 2022 18:44
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Halatra zaza varira tao amin'ny tanàna atao hoe Ambatolampy no niandohany. Maty novonoin'ireo olon-dratsy ny renin'ilay zaza, raha niaro azy tsy halain'ireo dahalo.

Nitondra ny raharaha teny amin’ny zandary ny fianakavian'ny maty. Nandeha ny fikarohana, ka nisy olona efatra nosamborin’ny zandary, izay ahiana ho tompon'antoka tamin’io fakana an-keriny zaza varira io.

Raha nandre izany ny Fokonolona, izay efa nentin-katezerana mafy, dia niazo ny tobin’ny Zandary, nangataka ny hanomezana azy ireo, ireto voarohirohy hanaovana fitsaram-bahoaka.

Faritra mena saro-pady ny tobin'ny zandary. Niakatra ny feo, hany ka nivadika ho sakoroka teo amin’ny Fokonolona sy ny mpitandro filaminana.

Nanapoaka basy nanao tifi-danitra sy baomba mandatsa-dranomaso ireto farany, hanaparitahana ireo andian'olona maro, izay nisy nitondra kibay sy zava-maranitra toy ny fibara.

Tsy nihataka ireo andian'olona fa toa vao mainka aza nampiakatra ny hatezeran'izy ireo ho miaro olon-dratsy.

Nitifitra ny mpitandro filaminana. Ampolony ireo naratra, misy tena voa mafy ahiana ny ainy. Tsaboina ao amin’ny hopitaly Ikongo izy ireo. Tafakatra folo mahery ireo namoy ny ainy. Avy amina tanàna efatra izy ireo.

"Tamin’alahelo lehibe no nandrenesako ny zava-nitranga, ny tifitra, namoizana ain’olona am-polony tany Ikongo androany. Miara-ory amin’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy ny tenako, ary miondrika am-panajana manoloana ireo aina nafoy", hoy ny filoha Andry Rajoelina.

"Manamafy etoana ihany koa anefa fa tany tan-dalàna i Madagasikara, ary sokafana avy hatrany ny fanadihadiana mba hahalalana faran’izay haingana ny antony marina sy ny tompon’andraikitra tamin’ny zava-nitranga. Sarobidy loatra ny aina, koa miantso ny rehetra aho mba ho tony hatrany sy hitandro hatrany ny fihavanana, izay soa toavina ijoroantsika Malagasy", hoy izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.