Volamena 17,390kg tratra teny Ivato : Teratany Malagasy roa no tazomina hatreto, misy hafa karohina

  • vendredi, 26 août 2022 18:22
  • Zakaria
  • Sary ZP

Nisy tranga fikasana fanondranana volamena milanja 17,390kg miaraka amin'ny taratasy sandoka, teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny alin'ny 25 hifoha 26 aogositra 2022.

Nitondra fanazavana ny Kolonely Komandin'ny Fari-piadidianan'ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo, ary nilaza fa efa misokatra ny fanadihadiana, ka heloka telo hatreto no azo hanenjehana ireo ahiahiana, dia ny fikambanan'olon-dratsy sy ny fanondranana antsokosoko harem-pirenena ary fanaovana sy fampiasana taratasy hosoka.

Olona roa teratany Malagasy, izay irakiraka fotsiny ihany, hatreto no notazomina.

Namoaka filazana fikarohana an'ireo olona izay ahiana ho tompon'antoka amin'ity raharaha ity ny Zandarimariam-pirenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.