AFROBASKET U18 : Tafita hiatrika Mondial any Espagne ny ANKOAY zazalahy

  • samedi, 13 août 2022 13:05
  • Tigre
  • Sary nindramina

Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 84 noho 81 nanoloana an'i Mali i Madagasikara tamin’ny lalao manasa-dalana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika taranja baskety latsaky ny 18 taona, na AFROBASKET U18, natao ny zoma 12 Aogositra 2022, tao amin’ny lapan'ny kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina.

Niarahaba ny ekipam-pirenena ANKOAY Madagasikara sokajy lehilahy tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan'ny Minisitra TINOKA Roberto.Ho isan'ireo ekipam-pirenena roa hisolotena an'i Afrika amin’ny fiadiana ny tompondaka manerantany ny ANKOAY zazalahy.

Karazany lalao fanomanana, io Mondial hatao any Madrid Espagne io, ihany ny lalao famaranana hatrehin'ny ANKOAY amin’ny alahady izao ao Mahamasina.

Marihina fa i Mali no tompondaka farany ny AFROBASKET U18, izao nahiliky ny ANKOAY tamin’ny manasa-dalana izao.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.