Famoahana vaovao tsy marina : Voasazy handoa onitra ara-bola i Clémence Raharinirina sy Lily Rafaralahy

  • mardi, 19 juillet 2022 18:02
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nivoaka androany 19 jolay 2022 ny Didim-pitsarana mahakasika ireo raharaha roa mahavoarohirohy mpanolontsaina monisipaly, araka ny fitoriana nataon'ny namany azy ireo.

Mahakasika ny fiampangana voalohany izay nitoriana ny mpanolontsaina monisipaly isany Lily Rafaralahy sy Clémence Raharinirina, ho namoaka vaovao tsy marina, dia lamandy 6 000 000 Ariary, sazy mihatra avy no navoakan'ny Fitsarana.

Mahakasika ny fiampangana faharoa nitoriana ireo mpanolontsaina monisipaly 7 mianadahy, ka avy amin'ny TIM ny enina, ho nanao fanalam-baraka sy fanompana tamin'ny tambajotra dia nafahana noho ny fisalasalana izy ireo, ary mandoa onitra 1 Ariary.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.