Sri Lanka : Vaky nandositra ny Filoha noho ny fidangan'ny vidim-piainana

  • dimanche, 10 juillet 2022 19:50
  • Tigre
  • Sary nindramina

Nosy any Azia atsimo i Sri Lanka, 22 tapitrisa ny isan'ny mponina any. Taorian'ny krizy Covid-19, dia niaka-bidy avokoa na ny herinaratra, na ny vidin'ny solika, na ny PPN sy ireo sakafo ilaina andavan'andro.

Nidina an-dalambe ny mponina efa amanetsiny, ka vaky nandositra ny Filoha Gotabaya Rajapaksa, ny sabotsy 09 jolay teo, ary nilaza fa hametra-pialana ny 13 jolay 2022.

Nianika lapa anefa ny vahoaka, nentim-pahatezerana mitaky ny fialan'ny Praiminisitra sy ny governemanta.

Nilaza ny hanangana governemanta firaisam-pirenena anefa ny Praiminisitra, fa tsy nahasakana ny vahoaka andoro ny tranony, izay milaza moa izy fa vonona ametram-pialana.

Maro ireo mpandraharaha avy any Sri Lanka no tonga mividy safira sy vatosoa eto Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.