Masoivohon’i Madagasikara any Parisy : Mampiantrano fihaonam-be iraisam-pirenena ho an’ny lavanila malagasy

  • mardi, 05 juillet 2022 13:44
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Notanterahina ny 4 Jolay 2022 tao amin’ny trano fiasan’ny Masoivohon’i Madagasikara any Parisy ny fihaonana amin’ireo mpividy sy mpanafatra ary indostrialy mpanjifa ny lavanila malagasy, avy any Eoropa sy Etazonia, ary faritra samihafa maneran-tany.

Any an-toerana, mitarika ny delegasiona, nihazo an’i Frantsa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana Edgard Razafindravahy, sady Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CNV (Filankevi-pirenena momba ny lavanila), sy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Vola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison.

Mandray anjara amin’ny fihaonana ireo solotenan’ny Filankevi-pitantanan’ny CNV, anisan'izany ny Filoha lefitra faritra avaratra, ny Loholona Lambert Eric Besoa, avy Maroantsetra, no mpandraharaha matihanina amin'ny lavanila rahateo.

Hita any an-toerana ihany koa ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga.

Mifandresy lahatra amin’ireo mpandraharaha mpandray ny lavanila malagasy ny CNV.
Tafiditra anatin’ny laha-dinika ny fampiharana ny vidy farany ambany 75 000Ar amarotan’ny mpamboly ny iray kilao amin’ny lavanila maitso. Toy izany koa ny vidy (FOB) farany ambany 250 Dôlara amerikana tokony andraisan’ny mpividy ny iray kilao amin’ny lavanila avy eto Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Fotoana koa ity hampahafantarana ny fandaminana vaovao ny sehatry ny lavanila eto amintsika.

Tonga nanotrona izany fotoana izany niaraka tamin'ny Minisitry ny Indositria sy ny Varotra ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramatoa RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo.

Ho an'ity farany de niompana tamin'ny fanazavana ireo lalàna manan-kery eto Madagasikara mahakasika ny fandraharahana ara-bola sy ny fanondranana Lavanila ny fandraisam-pitenenany toy ny tsy maintsy hananan'ireo mpanondrana kaonty any amin'ny Banky, ny tsy maintsy hampodiany ny vola sy ny fanajana ny daty farany faritan'ny lalàna amin'izany.

Voaresaka ihany koa ny andoavana 4$usd/kg entin'ny CNV miasa manao fanofanana ireo mpamboly, sy fanaraha-maso ny vidiny farany ambany amin'ny lavanila, ary iadivana amin'ireo mpisehatra lavanila tsy manara-dalàna.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.