Ninie Donia : Migadra 6 volana an-tranomaizina

  • jeudi, 30 juin 2022 12:47
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nohelohin'ny Fitsarana enim-bolana an-tranomaizona, sazy mihatra i Ninie Donia sy ireo 13 hafa namany, araka ny didy nivoaka androany tao amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Nosy Be.

Fandikan-dalàna fito no nanenjehana azy 14, fa resaka fikambanan-jiolahy (association des malfaiteurs) no nanamelohana azy ireo io.

Manohitra ny fisokajiana ny fikambanan-drazana Zafinifotsy ho Fikambanan-jiolahy ny mpikambana miara-dia amin'i Ninie Donia. Hampakatra ny raharaha amin'ny Fitsarana ambony izy ireo, araka ny nambaran’ny mpisolovava azy ireo.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.