Fanelezana vaovao tsy marina : Amin'ny 19 jolay ny didim-pitsarana mikasika ireo mpanolotsaina monisipaly 7 mianadahy nisy nitory

  • mercredi, 29 juin 2022 15:47
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Notsaraina ny talata 28 jona 2022 ny raharaha nitorian'ny mpanolotsaina monisipaly Lalatiana Ravololomanana sy Balita an'ireo mpanolontsaina monisipaly namany. Mpanolotsaina sivy no niatrika ny mpitsara, ka ny fito toriana, roa mpitory.

Nanitrikitrika ny mpitory fa namoaka vaovao tsy marina sy nanala-baraka ary nanompa variraraka azy ireo izy fito. Nandà hatramin'ny farany izany fiampangana izany ireto farany. Andrasana amin’ny 19 jolay ny didim-pitsarana mikasika izany.

Nahemotra fanintelony ho amin'ny 12 jolay indray ilay raharaha mifandraika amin'ny nisamborana an'ny mpanolotsaina monisipaly Clémence Raharinirina teny Ankorondrano. Avy amin'ny mpitory ny antony fanemorana.
Nisahana ny fiarovana azy ireo ny mpisolovava Éloi Ratefimahefamijoro.

Nanotrona ireto mpanolotsaina ireto teny amin’ny Fitsarana ireo depiote TIM, ny tanora RMDM, nisy mpanao politika, ny solotenan'ny sendika SSM, mpanolotsaina monisipaly, olon-tsotra, ny avy amin'ny Fikambanan'ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra (FTAR).

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.