Vahombëy : Nodimandry teo amin’ny faha-63 taonany

  • lundi, 20 juin 2022 07:47
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina

Rabearisoa Roland Dieu Donné ny anarany fa Vahombëy no nahafantaran'ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zavakanto.

Nianatra filozofia tao amin'ny oniversite Toliara izy. Mpanakanto ary nandalina kolontsaina sy nizara izany ihany koa, mpikatroka haiady karate, nirotsaka hofidiana filoham-pirenena tamin’ny 2013.

Olon'ny serasera izy, ary efa nanentana fandaharana tao amin'ny Radio nasionaly.

Nodimandry ny sabotsy maraina 18 jona 2022 teo amin’ny faha 63 taonany i Vahombëy.

Hiainga ao amin'ny Funérarium Tsaralevenana Ambohibao Antehiroka ny nofo mangatsiakany anio alatsinainy 20 jona 2022 amin'ny 11ora sy sasany maraina, alohan'ny hitondrana azy eny amin'ny crematorium eny amin'ny fasan'ny karana amin'ny 1ora tolakandro, fotoana hamadihana azy ho lavenona.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.