YALI Mandela Washington Fellowship : Tanora Malagasy mpitarika 11 mandray fiofanana any Etazonia

  • mardi, 14 juin 2022 09:17
  • Zakaria
  • Sary nomena

Tanora Malagasy miisa 11, eo anelanelan’ny 25 sy 35 taona, no mandray anjara amin’ny fiofanana Mandela Washington Fellowship for Young African Leaders ho an’ny taona 2022.


Ny dimy amin’izy ireo dia hianatra momba ny fahaiza-mitarika amin’ny fitantanan-draharahampanjakana :
- Felana Andrianantenaina Razakamahefa, ao amin’ny Oniversiten’i Syracuse,
- Lanto Nirina Robivelo, ao amin’ny Oniversiten’i Bridgewater,
- Mirado Fitiavana Rakotoharimalala, ao amin’ny Oniversiten’i Arizona,
- Ony Andriamasinoro, ao amin’ny Oniversiten’i Texas Tech,
- Raharinoely Ranjaharimalala Sophie, ao amin’ny Oniversiten’i Bridgewater.

Mpandray anjara telo hafa handalina ny fahaiza-mitarika eo amin’ny tontolon’ny fiarahamonim-pirenena :
- Fidy Manantsoa Randrianarivelo, ao amin’ny Oniversiten’i Delaware,
- Kimmerling Razafindrina, ao amin’ny Oniversiten’i Géorgie,
- Rindra Antenaina Rakotoarisoa, ao amin’ny Oniversiten’i Appalachian.

Hampiroborobo ny fahaiza-mitarika eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana kosa i :
- Natoa Razakasoavina, ao amin’ny Oniversiten’i Clark Atlanta,
- Ny Anjara Rafalimanana, ao amin’ny Oniversiten’i Texas any Austin,
- Romeo Diarison Rajaonarimalala, ao amin’ny Oniversiten’i Rutgers.

Tamin’ny 7 jona teo no niainga teto Madagasikara ireo mpandray anjara Malagasy ireo, ary namonjy ireo oniversite amerikana izay handalinany mandritra ny enina herinandro ny fahaiza-mitarika amin’ny alalan’ny fiofanana any amin’ny oniversite, atrikasa, fiahiana, fifandraisana amin’ireo mpitarika amerikana ary fiaraha-miasa amin’ireo vondron’olona samihafa eny ifotony.

Miisa 27 tamin’ity taona ity ireo toeram-pampianarana amerikana izay miparitaka amin’ny fanjakana 20, miampy ny District of Columbia, handray ireo mpiofana miisa 700 avy aty Afrika atsimon’i Sahara.

Aorian’ny fiofanana dia hisy ny fihaonana ampitain-davitra ho an’ireo mpandray anjara rehetra. Ankoatra izay dia misy mpandray anjara Malagasy roa ao anatin’ireo 100 voafantina tamin’ny alalan’ny fifaninana hanohy ny fampivelarana eo amin’ny sehatry ny asa, miaraka amin’ny fikambanana sy rafitra miankina na tsy miankina amerikana.

Aorian’ny fiverenan’izy ireo an-tanindrazana dia afaka handray anjara amin’ireo fandaharanasa ho an’ny maintimolaly izy ireo, hampitombo ny traikefany sy hanitatra ny tambajotrany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.