Abel Anicet : Hijanona tsy mpilalaon'ny Barea intsony

  • dimanche, 29 mai 2022 13:20
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina

Nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny horonantsary i Abel Anicet nilaza fa hitsahatra tsy ho mpilalao amin'ny ekipam-pirenena amin'ny baolina kitra na Barea an'i Madagasikara.

Noraisina ny fanapahan-kevitra hoy izy taorian'ny fifampiresahany tamin’ny fianakaviany sy ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Teo koa ny ratra matetika nahazo azy tato ho ato.

Ho mpanohana hatrany ny Barea aho, hoy izy.
Kapitenin'ny Barea i Abel Anicet, laharana faha-13, ary isan'ireo nantsoin'ny mpanazatra hiatrika lalao amin'i Ghana, saingy izy izao nanambara fa hiato ao amin’ny ekipam-pirenena izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.