PAC : Miakatra fitsarana ny raharaha Mbola Rajaonah

  • mercredi, 25 mai 2022 14:03
  • Tigre
  • Tahirin-tsary nindramina

Efa nanomboka omaly talata 24 mey 2022 no niakatra eny amin'ny fitsarana miady amin'ny kolikoly, ny raharaha Mbola Rajaonah.

Tsy vita omaly anefa izany, ka nitohy androany tamin'ny 8ora maraina.

Douanier 30 eo no nantsoina ho adihadiana, amin'ny maha vavolombelona. Mpiandraikitra ambony sy inspektera n'ny fadintseranana 2 hafa kosa no voapanga, miaraka amin'i Mbola Rajaonah, mpandraharaha no mpiara-miasa akaiky tamin'ny fitondrana Hery Rajaonarimampihanina.

Ampangaina ho nanao kolikoly sy nampiditra entana antsokosoko tao amin'ny fadintseranana, ary fandosirana hetram-panjakana.

Efa notazonina vonjimaika teny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy nanomboka ny andro nisamborana azy ny 13 febroary 2019 moa i Mbola Rajaonah, ary nafindra eny amin'ny fonja vaovao Imeritsiatosika ny faran'ny volana martsa 2022, noho ny antony ara-pahasalamana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.