Erada – Androy : Nahomby ny andrana famadihana ny ranomasina ho rano fisotro

  • mardi, 24 mai 2022 16:45
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Noporofoin’i Avotriniaina Ravelo fa misy ny vahaolana ho famatsiana rano ny Faritra Androy avy amin’ny ranomasina. Nahomby ny andrana nataon’ity injeniera Malagasy ity, tamin’ny fanalana sira amin’ny ranomasina, ka namadihana izany ho rano fisotro.

Tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Erada no nananganana ny fitaovana nanaovana ny andrana ho famadihana ny ranomasina ho lasa rano mamy io, izay nahitana vokatra avy hatrany.

Mitovy amin'ny rano fampiasa andavanandro ilay rano azo hoy ny olona nisotro ilay vokatra azo.

Ny tsy fahampian-drano no olana fototra any Androy. Mety hamaha olana itony voka-pikarohana nataon’i Avotriniaina Ravelo itony, raha misy manohana ny tetikasany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.