Cnaps : Nahazo fahafahana miasa aty ivelan'ny fonja ny Tale Jeneraly

  • vendredi, 13 mai 2022 07:11
  • Tigre
  • Tahirin-tsary nindramina

Notanana am-ponja vonjimaika teny Antanimora ny Tale Jeneralin'ny Cnaps, Mamy Rakotondraibe, Tale jeneralin'ny DHL teo aloha ihany koa, noho ireo raharaha maro momba ny Cnaps.

Fantatra anefa izao, fa na teo aza ny fandavan'ny fitsarana momba ny ady amin'ny kolikoly, fanomezana fahafahana vonjy maika azy, Liberté provisoire LP, dia ny minisitry ny fitsarana mihitsy no nanao sonia namoaka ity voapanga ity am-ponja, hanao asa aty ivelany na MOP (Main d'oeuvre pénale).

Raha ny Lalàna anefa dia ireo olona gadra raikitra, tsy misy fampakarana intsony no afaka misitraka izay MOP izay, nefa ny tale jeneralin'i Cnaps dia sokajiana mbola tsy meloka, fa tanana am-ponja noho ny antony ilana azy mahakasika ny raharaha iampangana azy.

Izy moa dia anisan'ireo olona akaiky ny mpandraharaha manohana ny fitondrana.

(Tahirin-tsary nindramina)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.