Rivodoza JASMINE : Namela takaitra taty Toliara

  • mardi, 26 avril 2022 20:00
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nifofofofo ny rivotra nentin'ilay rivodoza Jasmine taty Toliara ny tolakandro teo. Maro ny zavatra simba, nisy ihany koa ireo olona naratra.

Lehilahy iray no maty vokatry ny fianjerana raha hametraka gony misy fasika eo amin'ny tafony, telo hafa kosa no lasan’ny rano raha nikasa hamatotra lakana mba tsy ho entin'ny ranomasina.

Anio alina no vinavinaina hiditra an-tanety any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ity rivodoza JASMINE, ity kanefa mitondra takaitra sahady eto an-tanànan'i Toliara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.