Politika : Nisitaka amin'ny fitondrana ny MMM

  • vendredi, 11 mars 2022 20:24
  • Tigre
  • Tahirin-tsary nindramina

"Ny Birao Politikan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, rehefa nivory, nandinika sy nifanakalo hevitra mahakasika ny Raharaham-pirenena, androany Zoma 11 Marsa 2022 dia nahatsapa fa tsy feno intsony ny fepetra mbola hahafahan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga hijanonana ao anaty governemanta.

Ka noho izany dia nanapa-kevitra ny Antoko fa tsy handray anjara amin’izay governemanta hajoro manaraka eo."

Nanamafy moa ny antoko fa niaraka nametraka ny Filoha Andry Rajoelina teo amin'ny fitondrana, ary tsy manana olana amin'ny Filoham-pirenena ary nanolotra ny fisaorana azy tamin'ny fitokisana nomeny tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny fampandrosoana ny Firenena.

Raha ny fandalinana sy fanadihadiana natao mahakasika izao fisitahana amin'ny fitondrana izao, dia ny fihetsik'ireo olona manodidina ny Filoha izay tsy ahafahana mivelatra amin'ny fiaraha-miasa.

Raha 3 ny isan'ireo ministera nankinina tamin'ny MMM vao lany ny Filoham-pirenena, dia nifintina toa fen'antitra izany sisa, satria na ilay iray tokana sisa tavela nankinina tamin'ny Filohan'ny Malagasy Miara-Miainga, Hajo Andrianainarivelo, nitana ny ministeran'ny Fanajariana ny tany, dia tapitra nesorina taminy avokoa ny andraikitra izay nosahaniny, toy ny asa vaventy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.