Fitaterana an'abakabaka : Misokatra ny sisin-tany miaraka amin'ireo fepetra ara-toekarena sy ara-pahasalamana

  • lundi, 07 mars 2022 22:43
  • Tigre
  • Tahirin-tsary nindramina

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny anokafana ny sisin-tanin'i Madagasikara. Mbola mitoetra ireo fepetra ara-toekarena hiarovana ny harem-pirenena tsy hivoaka amin'ny fomba gaboraraka, ary ny valanaretina Covid-19 rahateo mbola tsy foana tanteraka.

Mialoha ny fanatanterahana izany rehetra izany anefa dia niantso ireo kaompaniam-pitaterana sy ireo mpisehatra rehetra hifanakalo hevitra ny teo anivon'ny Ministeran’ny Fitaterana sy fizahana ny toetrandro, andinihina ireo fepetra mifanandrify amin'izay asa fitaterana izay.

Misy kosa ny anjara asan'ny eo anivon'ny ladoany, ny minisiteran'ny fizahan-tany, ny ministeranan'ny Polisy, ny minisiteran'ny fahasalamana, ny ministeran'ny harena ankibon'ny tany, izay eo ambany fiadidian'ny Praiminisitra, ary ny sekreteram-panjakana eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena

Nanamafy moa ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro, TINOKA Roberto, tao amin'ny fahitalavitra TVM fa andraikitry ny rehetra no miaro ny tsy hisian'ny tantely afa-drakotra amin'ny harem-pirenena, ka nandraisany andraikitra amin'izay tandrify azy, araka ny tapaka teo anivon'ny filan-kevitry ny minisitra sy ny fifampidinihana miaraka tamin'ireo mpiantsehatra rehetra, satria dia ny 90% ny fivoahan'ny harem-pirenena antsokosoko dia avy amin'ireo entana tsitsinina an-tanana ireo avokoa.

Misokatra miandalana hoy hatrany izy ny seranam-piaramanidina izay manana fitaovana fitiliana toa an'i Nosybe sy Toamasina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.