IMBIKI Herilaza : Nametra-pialana

  • dimanche, 13 février 2022 22:02
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina

Nametram-pialana tsy ho Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana intsony Andriamatoa IMBIKI Herilaza tamin'ny zoma 11 febroary 2022.

Neken'ny Filoham-pirenena tamin'ny alalan'ny didim-panjakana, izay nosiniaviny sy ny Praiminisitra, ny sabotsy 12 febroary 2022 izany fanamarinana fametraham-pialana izany, ary narahana fanambaràna teo anivon'ny serasera sy fiadidiana ny Repoblika androany alahady 13 febroary 2022.

Voatendry hisolo toerana vonjy maika amin'ny toeran'ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana kosa ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, Ramatoa Ranampy Gisèle.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.