Sakaraha : Nakana vola 100 000ar ireo te hanao Aspergeur, mpanondraka fanafody moka

  • jeudi, 03 février 2022 11:19
  • Tigre
  • Sary nindramina

Misy ny tetikasa CAID niarahana tamin'ny firenena Amerikanina, hamendrahana fanafody hiadiana amin'ny tazomoka any amin'ny faritra atsimo andrefana iny.

Nalahelo anefa ireto mpiasa mpanondraka fanafody, Aspergeur, aman-jatony ireto, fa nakan'ny mpitantana malagasy 100 000ar izy ireo vao raisina ny fangatahan'asa nataon'izy ireo.

Izay mandà tsy hanome, dia vava no miandry hoe "Mialà fa betsaka ny te hanao ilay asa", dia entin'ny tsy fisiana dia manaiky tsy fidiny, ary matahotra mitoroka ilay tompon'andraikitra satria sao tratra ka voaroaka sy voarahona.

Tao Sakaraha no nitranga ny toe-draharaha, 17 000ar monja anefa ny karama isan'andro, izay mafy tokoa. Naharitra iray volana ihany ny campagne tamin'ny faran'ny taon-dasa teo.
Tsy voaray ny fidirana miasa raha tsy ambany aloha ny 100 000ar omena ny tompon'andraikitra mandray ny fangatahan'asa.

Mangataka ny USAID, izay fantatra fa sarotiny amin'ny kolikoly toy itony, hijery akaiky ity toe-draharaha ity ireo mpiasa nanaovana tsindry sy nakana vola amin'ny asa nitsembohany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.