Guinée-Bissau : Raikitra ny fifampitifirana manodidina ny lapa
- mardi, 01 février 2022 20:52
- Tigre
- Sary nindramina
io tolak'andro talata 1 febroary io, dia fifampitifiana mahery vaika no nitranga teo amin'ny miaramila mpihoka haka fanjakana sy ny mpiambina ny lapam-panjakana ao Guinée-Bissau, fierenena eo anelanelan'i Sénégal ao avaratra andrefan'ny Afrika sy Guinée eo atsimo kely andrefana.
Mbola mifamaofao moa ny akom-baovao, fa raha ny hita amin'ny filazam-baovao any an-teorana dia vosambotr'ireto miaramila mpihoko ireto ny filoha Umaro Sissoko, ary voafehy ireo miaramila mpiambina ny filoha sy ny lapa-panjakana.
Manameloka izao fanonganam-panjakana izao moa ny vondrona Communauté économique des Etats d'Afrique de l'Ouest (Cédéao).
Guinée-Bissau moa dia zanatany Portuguais teo aloha, fa mampiasa ny vola CFA kosa ankehitriny, izay vola eo ambany vahoan'i Frantsay.
1 500 000 teo ny isan'ny mponina tamin'ny 2010, amin'ny velaran-tany 36 120km², izay 28 000km² ny tany ary 8120km² kosa ny ranomasina sy ireo nosy 60 ao amin'ny ranomasimbe Atlantika.
Firenena afrikanina maromaro izany izao no nitrangana fanonganam-panjakana tato anatin'ny volana vitsy.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
https://gasypatriote.com/a-la-une/item/27622-guin%EF%BF%BD%EF%BF%BDe-bissau-raikitra-ny-fifampitifirana-manodidina-ny-lapa.html#sigProGalleriaa749602ba3
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.