Burkina Faso : Nalain'ny Tafika ny fahefana

  • lundi, 24 janvier 2022 18:40
  • Tigre
  • Sary nindramina

Ny sabotsy hifoha ny alahady 23 janoary 2022 no nihoko ireo miaramila tanatin'ny lakazery maromaro tao Ouagadougou.

Raikitra ny akitifitra manoloana ny trano fonenan'ny Filoha Roch Marc Christian Kaboré ny alahady. Vaky raraka ihany koa ny tifitra tao amin'ny lakazery Sangoulé Lamizana sy Baba Sy, tao andrenivohitry Burkina.

Raha ny akom-baovao mifamahofao, dia nosamborin'ireto miaramila mihoko ireto ny Filoha Roch Marc Christian Kaboré, sy minisitra maromaro.
May ihany koa ny foiben-toeran'ny antokon'ny mpitondra.

Ireo masoivoho any an-toerana moa dia manentana ireo olom-pirenena avy any aminy, hihiboka an-trano, misy rahateo ny fepetra tsy fahafahana mivoaka alina any an-toerana.

Ny Kolonely Paul-Henri Sandaogo DAMIBA, moa no mitarika vonjimaika ny firenena ankehitriny.

Taorian'i Mali, Guinée, Tchad, dia nafanafana avokoa ny aty amin'ny faritra Afrika miteny frantsay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.